Ho fitandrovana ny ainao sy ny
an’ny hafa no antony hialana
alavitra rehefa misy fiara
mpitatitra solika mivadika

Danger

Isan-taona, olona an-jatony no mamoy ny ainy rehefa naka solika miraraka raha sendra tojo fiara mpitondra solika nivadika. Noheverin’izy ireo ho tombontsoa ny fanaovana izany, kanefa lasa minitra farany teo amin’ny fiainany.

Danger Camion-citerne renversé

Ity tranokala ity dia natao mba afahanao mianatra ireo fihetsika tokony atao sy ireo tsy tokony atao rehefa sendra misy fiara mpitatitra solika mivadika.

Alaviro aingana ny faritra misy ny loza
Camion-citerne renversé Fait!
1

Mialà alavitra ny faritra misy ny loza

Entano ny hafa hiala alavitra farak’izay aingana ihany koa

Mialà mankany amin'ny lalana mifanohitra amin'ny fitsokan'ny rivotra mba hisorohana ny fivoahan’ny etona misy poizina

Ampandreneso aingana ny mpamonjy voina
Camion-citerne renversé Fait!
2

Antsoy ny laharana vonjy taitra

(Mpamonjy voina, polisy, Zandarimaria)

Mialà alavitra hatrany ary araho ny torimarika omen’ny manam-pahefana

Vonoy ireo fitaovana elektronika sy ireo mety ahatonga ny afo
Camion-citerne renversé Fait!
3

Vonoy ny finday

raha sendra akaiky loatra ny faritra misy ny loza no misy anao

Entano ihany koa ny olona eo akaikinao anao toy izany

Sakano ny fidirana amin’ny faritra misy ny loza
Camion-citerne renversé Fait!
4

Ampandreneso ireo mpandalo amin’ny loza nitranga

Lazao ihany koa ireo mpitondra fiara tsy handalo ny faritra misy ny loza

Raha mpitondra fiara ianao, miala alavitra ny faritra nisy ny lozam-pifamohivozana

Aza mandeha maka ny solika miraraka
Camion-citerne renversé Danger
1
Aza mijanona eo amin’ny faritra misy ny loza, na maka sary na horontsary
Camion-citerne renversé Danger
2
Aza mifoka sigara eo akaikin’ny faritra misy ny loza, na mampiasa briquet na zavatra mety ahatonga ny afo
Camion-citerne renversé Danger
3
Aza asiana olona mijanona eo akaikin’ny faritra misy ny loza
Camion-citerne renversé Danger
4

Fanampaha-kevitra kely iray dia mety ahafaty na hamonjy ny ainao.
Raha ianao, inona no ataonao raha sendra misy fiara mpitatitra solika mivadika ?